<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>38</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Mba todihonao ny lasa
 Dia ho hitanao ny asa
 Nandaniana ny fotoana
 Fa dia vita mora foana

[C1]
   Mitsangàna, sahia ! (sahia !)
   Mijoroa, mitoria (mitoria !)
   Aza kivy, sanatria
   Fa aminao Kristy.

[V2]
 Eny, tsara ho tsaroana
 'Reo adidy nokoloina
 Maro koa no tsy tontosa
 Nampitsoaka ny kanosa
 Mitsangàna, sahia ! sns...

[V3]
 Aoka hiezaka hatrany
 Mba hanarina izany
 Fa hipetraka ho tantara
 Ho an'ny zanak'amam-para
 Mitsangàna, sahia ! sns...</lyrics>
<title>Mba todihonao ny lasa FF38</title>
</song>